♦ Fikorontanana noho ny fandaminana avy amin'ireo orinasa mpaninjara solika sy ny fiakaran'ny filàn'ny mpanjifa no mahatonga ny tsy fisian'ny lasantsy amina tobin-tsolika sasatsasany amin'izao hoy ny OMH... ♦ Hihaona amin'ny MInistry ny Fahasalamam-bahoaka hiresaka momba ny olan'ny fahataran'ny pré-salaire an'izy ireo anio ny Union de Internes de Madagascar (UIM)... ♦ Tanterahina ny talata 14 avrily izao etsy amin'ny CCI Ivato ny fanokafana ny Fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora hiarahana amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena...

Na sokajiana ho olon-dehibe aza ny olona iray dia azo antoka foana fa misy zavatra hafa mety tsy hananany traik'efa taminà andram-piainana. Ny olon-dehibe dia efa matotra, efa tompon'antoka amin'ny fiainany, mahaleo tena sy manana traik'efa. Tsy fanabeazana intsony no tena omena ny olon-dehibe noho ireo traik'efa efa ananany, fa tantsoroka no omena azy, izany hoe fanampiana. Ny fientanam-po dia tokony ho hay ny fitantanana azy sy ny fanahy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Napetraka ho firenena anaty hamehana ara-angovo mandritra ny 15 andro i Madagasikara araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana notanterahina omaly talata faha 7 avrily... ♦ Dokotera Ibrahim Norbert Richard no voafidy ho sekretera Jeneraly vaovaon'ny vaomieran'ny ranomasimbe indiana taorian'ny fametraham-pialan'Andriamatoa Edgard Razafindravahy ny faran'ny herinandro teo... ♦ Miisa 6 ireo mpanao gazety kandida ho solontena ao amin'ny CENI, ny alatsinainy izao fara-fahatarany no tokony hatolotra izay ho solontenan'ny mpanao gazety eo anivon'ity kômity ity... ♦ Niverina nisokatra nanomboka androany alarobia ny détroit d'Ormuz...

Ny mampivarahontsana ny olombelona indrindra dia izy ho faty. Noresen'i Kristy anefa ny fahafatesana ka hiara-mitsangana aminy isika. Eo anoloan'ny fahafatesana no tonga amin'ny fara-tampony ny zava-tsarotra momba ny toetry ny olombelona. Fa na dia tsy mahomby aza eto ny fisaintsainana rehetra ; araka ny fampianaran'ny Eglizy dia hiafara amin'ny fahasambarana ny fahoriana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 6 novambra 2026

• Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… •“Inoy izay vakianao, ampianaro izao inoinao, arahao izay ampianarinao”, io no lohahevitra hifanentanana sy hifampizarana mandritra ny fihaonamben'ny pretra diosezanina, hotanterahana ny 12 hatramin'ny 16 novambra 2026 any amin'ny Diosezin'Antsirabe… • Ny asa no fon'ny toekarena, hoy ny Ray masina, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...