Sabotsy 11 jona 2022 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37

♦ Hisokatra amin'ny firenena Indiana, Eoropeanina tatsinanana ary i Afrika, isika Malagasy amin'ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana, hanafaingana ny fitadiavana izay tena marina ao ambadiky ny tranga fakana an-keriny izay niseho lany tato ho ato, ny Filohan'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy... ♦ Tsy mahafehy ny teny frantsay sy ny matematika ny ankamaroan'ny mpampianatra any amin'ny ambaratonga fototra, any amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana...

♦ Notanterahana ny 8 jona 2022 ny Sorona Masina fanankinana ny fanahin'i Mgr Donald Pelletier, Eveka emeritan' i Morondava... ♦ Nantsoin'ny Ray hiaka sasatra eo anilany i P. Rasolofo José, pretra diôsezanina ao Toamasina... ♦ Tontosa ny 3 sy 4 jona 2022 ny fihaonamben'ny Vovonan'ny Akizy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...

Nodinihana nandritry ny telo andro teto an-drenivohitra teny amin'ny CNEAGR Nanisana ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena mahakasika ny masomboly, ny lalàna mifehy ny famokarana masomboly, ary ny famelomana indray ny Fikambanana Malagasy ho fampiroboroboana ny masomboly na ny AMPROSEM mba hananany aingavao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...