♦ Hisokatra amin'ny firenena Indiana, Eoropeanina tatsinanana ary i Afrika, isika Malagasy amin'ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana, hanafaingana ny fitadiavana izay tena marina ao ambadiky ny tranga fakana an-keriny izay niseho lany tato ho ato, ny Filohan'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy... ♦ Tsy mahafehy ny teny frantsay sy ny matematika ny ankamaroan'ny mpampianatra any amin'ny ambaratonga fototra, any amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...