Ôkatra-harana dia endriky ny famadihana any amin'ny faritra betsimisaraka-avaratra, izany hoe any avaratra atsinanan'ny nosy. Ny ôkatra-harana fomba hamadihana ny satan'ny maty ho razana. Ao amin'ny faritra Betsimisaraka-avaratra : rehefa maty ny olona iray dia alevina an-tany, mandritra ny 5 taona eo ho eo, aorian'izay dia miroso amin'ny hoe manôkatra harana, izay fanadiovana ny taolambalo, ary raha efa izay dia tsy averina an-davaka intsony fa hafindra toerana. Harana= taolana...

♦ Miatrika fihaonam-be manomboka anio ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Anisan'ny hodinihina amin'izany ny fanavaozana ny tranokalam-pifandraisan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Milaza ny tsy hihemotra manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny RMDM. Nanambara ny mbola hanohy ny hetsika fanehoan-kevitra izy ireo, na teo aza ny fanakànana ny sabotsy teo... ♦ Niakatra hatramin'ny 3.000 Ariary/gony ny vidim-bary eny amin'ireo mpamongady. Voalaza ho anisan'ny anton'izany ny fiakaran'ny vidin-tsolika, na mbola mitobaka ny vary eny an-tsena amin'izao...

26 jolay — Ray aman-drenin’i Masina Maria ireto olomasina resahana androany ireto. Ho an’ny tandrefana dia ny 26 jolay no fahatsiarovana azy fa ny tatsinanana kosa dia matsiaro azy ireo ny 09 septambra. Ny Evanjely apokrifa an’i Masindahy Jacques no ahitana ny tantaran’ireo.

Manana adidy ny mpino haneho hevitra, manoloana ireo fombam-pitantana, tsy ahitana ny taratry ny maha-kristiana, indrindra ny ara-moraly, izany hoe endrim-pitantanana "jadona" . Ny jadona dia : tsy refesimandidy. Ny tantara no nampianatra antsika ny hoe "jadona" satria ireo nahazo ny fitondrana na fahefana ary mampiasa ny jadona mba hifehezana ny tany sy ny firenena. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...