♦ Hamaritra ny mety ho fandraisan'anjarany amin'ny fifidianana sy ny olona ho atolotra amin'izany, ny kongresy nasiônalin'ny Antoko MMM, izay hirosoana tsy ho ela. Nitatitra ny fivorian'ny antenimeran-doholona tamin'ireo mpifidy vaventy tamin'ny faran'ny herinandro ny loholona avy amin'ny MMM... ♦ Mangataka ny hanesorana ny mpitantana ny APMF ny sendikan'ny mpiasa ao aminy, noho ny ambaran'izy ireo fa fisiana kolikoly amin'ny fitantanana... ♦ Isan'ny efa misitraka ny fanomezana tany, anatin'ny tetik'asa "Titre vert" ireo mponina lasibatry ny kere any Amboasary-Atsimo. Fianakaviana sahirana 160 isa aloha izao no efa nomena trano, tany hambolena, sy biby fiompy ; fa omena sakafo ihany koa aloha anatin'ny 3 volana...
08 aogositra — Dominique de Guzman dia teraka tao Caleruega diosezin’i Osma tao Espagne tamin’ny taona 1170. Tao amin’ny sekoly Palancia izy no nandranto ny fianarana ny teôlôjia sy ny filôzôfia, ny taona 1196 izy niaraka tamin’ny dadatoany ary nikatroka tao amin’ny katedraly tao Osma ka niara-niaina tao izy ireo.
Maro ny azo hamaritana ny "aina" raha izao taon-jato diavintsika izao no jerena. Tsy tokony hadino amin'ny maha kristiana fa Andriamanitra Velona no manome ny "aina" raha tsy hiresaka afa-tsy izay voalazan'ny Baiboly isika. Ny "aina" dia miantomboka eo amin'ny fiforonany ka mahatonga azy ho olona na zava-manan'aina velona iray ary miafara amin'ny fahafatesana. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Alatsinainy 8 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 22-27
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco