♦ Miditra amin'ny andro fahatelo anio, ny JMJ Mada X tanterahana any Antsirabe, hitohy ny fandalinam-pionana hatrehan'ireo tanora mpivahiny... ♦ Namoaka fanambarana noho ilay raharaha tany Ikongo ny FFKM omaly. Mangataka ny hisian'ny fisaonam-pirenena ihany koa ny RMDM manoloana iny zava-nitranga iny... ♦ Nitokona indray omaly ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Nidina an-dalambe teny Ankatso izy ireo ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...

02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.

Zoma 2 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39

♦ Fandalinam-pinoana sy fanentanana ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana, ary hetsika ara-kolontsaina no nanohizana ny JMJ any Antsirabe androany... ♦ Namoaka fananmbarana, manoloana ilay raharaha namoizana ain'olona tany Ikongo sy tany Ambolotarakely Ankazobe ny FFKM androany. Mangataka ny hisian'ny fisonam-pirenena kosa ny RMDM, nanoloana io zava-nisy tany Ikongo io... ♦ Nitokona sy nidina an-dalambe teny Ankatsoa indray androany ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, nitakiana vatsim-pianarana mbola tsy voaloa. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...