Tafita any amin'ny zanaka tokoa ve ny fampirisihana ataon'ny ray aman-dreny hoe : "ny fianarana no tena lova tsara indrindra" ? Tsy mitovy intsony amin'ny zava-nisy tamin'ny vanim-potoana nilazana izany ny tranga ankehitriny sy ny tontolo manodidina, ka izay no mahatonga ny fanontaniana hipetraka. Na inona na inona anefa trangam-piainana miseho ankehitriny dia tena mbola manana ny hasiny ny fianarana, indrindra ny any amin'ny fanabeazana fototra.

♦ Nesorin'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, tsy ho isan'ny mpikamban'ny Governemanta Ntsay Christian, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Randriamandranto Richard. Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, no misolo toerana azy vonjy maika... ♦ Tsy azo ekena, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ireo depiote mihoa-pefy, mitsabaka manao ny asan'ny manam-pahefana mpanatanteraka. Nisokatra omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara...

19 ôktôbra — Teraka ny 03 janoary 1694 tao Ovada tany Italie i Paul Danei. I Luchino Danei sy i Anna Maria Massari no ray aman-dreniny. Mpivarotra no asan'ny rainy ary enina ambin'ny folo mianadahy izy ireo no naterak'izy mivady. I Paul no zokiny indrindra, ary enina mianadahy izy ireo no velona fa ny sisa dia maty mbola kely avokoa.

Araka ny finoantsika dia tena olombelona i Jesoa sady tena Andriamanitra, ka tahaka ny olombelona rehetra dia mila volavolaina sy beazina ny maha olona manontolo : vatana, saina, ary ny fo amam-panahy. Fototry ny maha-olon ny vatana, saina, fanahy koa tsy misy azo atao antsirambina.  Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...