♦ Mbola tsy voafaritra ny fotoana hiakaran'ireo tompon'andrakitry ny Transparency International Initiative Madagascar, fampanoavana. Manao ranolava ny fanambarana momba ny raharaha nahasaringotra azy ireo... ♦ Nirefotra ny basy teny Anosibe omaly. Jiolahy miisa fito saika handroba no lavon'ny SAG... ♦ Andrasana anio ny valin'ilay tombana natao tamin'ireo Tale maromaro eo anivon'ny orinasa Jirama. Hiverina hiasa anio koa ny Tale Jeneralin'ny Jirama, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'afo...

Ny fahitantsika an'i Jesoa dia midika fa tahaka Azy Andriamanitra na tsy mbola niseho tamin'ny tena endriny azy. Any amin'ny Testamenta Taloha dia amin'ny alalan'ny zavaboahary no nisehoan'Andriamanitra fa aty amin'ny Testamenta Vaovao dia io Jesoa nomena antsika io no manambara Azy Ray. Ny naneken'i Jesoa natao Batemy dia mba hantanteraka ny fandaharan'Andriamanitra momba Azy sy ny momba antsika. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.

25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.

Zoma 25 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona  — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...