Zoma 25 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona  — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33

Ampiasain'i Jesoa amin’ny fanoharana eto ny aviavy sy ny hazo hafa mba hanambarana ny fahataperan’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’izay àry no hanasan'i Jesoa antsika hahafantatra ireo zava-mitranga eo amin’ny fiainana. Entina hilazana izany fa izay rehetra eto dia mandalo avokoa, izany hoe misy fiafarany.

Mifono fanantenana sy finoana ny hafatr'i Jesoa eto amin’ity fiainana ity. Fanantenana ny fiainana mandrakizay aorian’ny fiainana an-tany, fanantenana ho an’ny fahafahana aorian’ny fanandevozan’ny ratsy. Ny finoantsika izany àry no mahatonga antsika manantena ny famonjena izay ho entin'i Kristy.

Ny finoana ny Teniny izay mitoetra mandrakariva eo amintsika àry no tokony hianteherana. Io ilay “Teny mahavelona mandrakizay”. Ny atao hoe mino ny Teniny mantsy dia mitandrina sy manatanteraka izay lazainy. Mila miambina sy maharitra mandrakariva àry isika amin’ny fiverenany amim-boninahitra.

Tompo o, ny herin’ny Teninao anie hanova ny fiainanay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...