♦ Miisa 08 ny olona maty, takaitra navelan'ny rivo-doza nandalo teto Madagasikara. Olona 20 isa no tsy hita popoka, 46.000 isa mahery ireo traboina avy amin'ny Faritra 13 eto amin'ny nosy.... ♦ Miantso fifanampiana ny Evekan'i Morondava Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina manoloana ny takaitra nateraky ny rivo-doza... ♦ Ny 66% maherin'ny olom-pirenena afaka mifidy no tafiditra anatin'ny lisi-pifidianana amin'izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy tanterahan'ny CENI... ♦ Hamatsy fiara mifono vy ho an'i Ukraine ny amerikana sy ny alemana. Nanaiky handefa fiara mifono vy ihany ny mpitondra alemana. Balafomanga mahataka-davitra indray no angatahan'ny filoha Vlodymyre Zelensky...

Ny toeran'ny Fianakaviana any am-piangonana : fanomezan'Andriamanitra satrai ny tsirairay dia samy nahazo fanomezana ary dia tonga fanomezana ; Fiangonana fototra izany hoe Eglizy eo anivon'ny ankohonana. Ny fianakaviana dia loharano impoiran'ny fitohizan'ny taranaka ary feon'ny fiangonana.  Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Alakamisy 26 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 21-25)

♦ Misy ny hafatra sy antso ho fifanampiana entin'ny evekan'i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, manoloana ny takaitra navelan'ny rivodoza... ♦ Nampiato ny zotram-pirenena any amin'ny Lalam-pirenena faha-4 sy faha-6 ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka, noho ny fahatapahan-dalana... ♦ Vinavina amin'ny sora-bola ilain'ny CENI amin'ny fikirakirana ny fifidianana, ilay vola 33 tapitrisa Dolara, izay niparitaka tamin'ny gazety vahiny, hoy ny Filohan'ny CENI androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...