♦ Hanao vaindohan-draharaha ny famerenana ny fandriam-pahalemana amin'izao ankatoky ny fifidianana izao ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa... ♦ Hifarana anio ny fe-potoam-piasan'ny Filankveitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Fanjakana Tan-dalana. Noraisin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly ny didim-panjakana manamarina izany. Tsy anio, fa mbola amin'ny septambra vao tapitra ny fe-potoam-kiasan'ny HCDDED, hoy ny Filohany... ♦ Ankalazaina androany, ny Andro Eran-tany ho an'ny Toetry ny andro. Amin'ny alalan'ny fambolen-kazo no anehoan'ny Minisitera tompon'andraikitra sy ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro izany...

♦ Baolina kitra, fifanintsanana isam-bondrona handraisana anjara amin'ny CAN 2023, hihaona amin'i Centrafrique eny amin'ny Kianjan'ny Barea anio tolakandro, ny Barean'i Madagasikara... ♦ Hifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona vaovao amin'ny mpiara-dia aminy, eny amin'ny Boriboritany fahenina Antananarivo Renivohitra, ny sabotsy izao ny antoko TIM tarihan'ny Filohany Marc Ravalomanana... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny herinandro ahatsiarovana ny tolo-panafahana 29 marsa 1947...

Ny Eglizy katôlika dia isan'ireo manao ny ezaka sy mandrisika ny mpitondra sy ny tompon'andraikitra isan-kajiny mba afahan'ny maneho hevitra. Ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra dia isan'ireo singa hampandrosoana ny firenena. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alakamisy 23 marsa 2023 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...