♦ Tsy miombon-kevitra amin'ilay tolo-dàlana hanitsiana ny lalàm-pifidianana izay novolavolain'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao pôlitika vitsivitsy, ny KMF/Cnoe. Mbola tsy voafaritra ao anatin'ny lahadinika nolanian'ireo Solombavambahoaka ny fandinihana io tolo-dàlana io... ♦ Mitaky ny fametrahana ny ANRCM ny antoko MMM. Efa eny amin'ny Primatiora kosa ny fandinihana izany, hoy ny Minisitry ny serasera... ♦ Hitohy ka haharitra andiny roa ny maraina, ary andiny roa ny hariva, ny fahatapahan-jiro ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo...

Rehefa mifanakalo na miady hevitra ny olona roa dia mahita teny ierana. Ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona, ny fifanakalozan-kevitra dia fampianarana antsika hitaiza fihetseham-po ary koa fankatoavana ny zon'ny olona iray haneho ny heviny. Ny fifampihainoana dia mariky ny fahamatorana. Maro ny voka-dratsin'ny tsy fifampihainoana eo anivon'ny fianakaviana, isan'ireny ny olan'ny tanora. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

5 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

♦ Tsipahan'ny KMF/Cnoe ny fisian'ny tolo-dàlana vaovao hanitsiana ny làlam-pifidianana. Tsy mahasolo tena ny vahoaka ireo namolavola io tolo-dàlana io, fa fakan-kevitra isam-paritra no tokony ho natao... ♦ Nomelohin'ny Fitsarana hiasa an-terivozona 7 taona, Ramatoa Raissa Razaivola. Niteny ampahibemaso izy androany, fa noterena handiso ny zavatra nolazainy, momba ireo mpanondrana volamena an-tsokosoko... ♦ Voatazona ho 285.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara, amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly fa mamono mpiasa malagasy izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...