♦ Tsy miombon-kevitra amin'ilay tolo-dàlana hanitsiana ny lalàm-pifidianana izay novolavolain'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao pôlitika vitsivitsy, ny KMF/Cnoe. Mbola tsy voafaritra ao anatin'ny lahadinika nolanian'ireo Solombavambahoaka ny fandinihana io tolo-dàlana io... ♦ Mitaky ny fametrahana ny ANRCM ny antoko MMM. Efa eny amin'ny Primatiora kosa ny fandinihana izany, hoy ny Minisitry ny serasera... ♦ Hitohy ka haharitra andiny roa ny maraina, ary andiny roa ny hariva, ny fahatapahan-jiro ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...