8 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 21-26)

Hery telo no ananan'ny fanahy dia ny fahalalana, fitadidiana ary fahatelo farany dia ny sitrapo. Ny fahafahana dia ao amin'ny fanahintsika no misy azy. Zava-dehibe ny fahafahana sy ny sitrapo eo amin'ny fiainan'ny olombelona. Maro ny tokantrano mikorontana, ary betsaka ireo tanora tsy mahafehy tena noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny atao hoe "fahafahana". Miha very hasina ny olombelona noho ny fivohizana loatra ny fahafahana.

Antitraterin'ny Konsily ny fanajana ny zon'ny olombelona, hihevitra ny namany ho  tahaka ny tenany. Ny tenan'ny olona tsy maintsy hajaina sy tiavina fa ny hevi-diso no tsipahina. Raha ny lôjikan'olombelona dia tsy mila mifampihaino akory ny mpifahavalo, fa mifanohitra amin'izany ny hevitr'Andriamanitra izay handidiani Kristy antsika : Tiavo ny fahavalonao, manaova soa amin'izay mankahala anao... Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

7 mey 2023 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Taona A — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-12)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...