Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 14, 5-17)

Ny mitory aminareo no anay, mba hialanareo amin’izao zava-poana izao, sy hanatonanareo an’Andriamanitra velona.

Tamin’izany andro izany,
dia efa nivonon-kanala baràka sy hitora-bato ny Apôstôly ny Jentily sy ny Jody mbamin’ny lehibeny;
saingy ren’i Paoly sy i Barnabe izany,
ka lasa izy ireo nankany Listra sy Derbe, tanàna any Likaônia,
ary tamin’ny tany rehetra manodidina,
dia nitory ny Evanjely tany.

Tany Listra,
nisy lehilahy anankiray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny,
ka tsy mbola namindra, fa nipetraka hatrany hatrany.
Nihaino an’i Paoly nitory teny izy io,
ary nibanjina azy i Paoly,
ka nahita fa nino izy fa ho sitrana,
dia hoy izy tamin’ny feo mahery:

“Mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao.”

Dia niantsambotra ralehilahy, ka namindra.
Nony hitan’ny vahoaka ny nataon’i Paoly,
dia niantso mafy tamin’ny fitenin’ny Likaônia izy nanao hoe:

“Andriamanitra maka endrik’olona no nidina nankaty amintsika.”

Dia i Barnabe moa nantsoiny hoe Jopitera,
ary i Paoly kosa Merkory,
satria izy no mpandahateny.
Mihoatra noho izany,
ny mpisoron’i Jopitera takaikin’ny tanàna mbamin’ny vahoaka aza,
dia efa nitondra ombalahy sy fehiloha teo am-bavahady mihitsy,
ka nikasa hanao sorona.
Fa nony nandre izany ny Apôstôly Barnabe sy Paoly,
dia nandrovitra ny akanjony,
ka nandroso teo afovoan’ny vahoaka niantso mafy hoe:

“Nahoana, ry olona, no dia manao izany ianareo?
Izahay dia olombelona toa anareo ihany,
ka ny mitory aminareo no anay,
mba hialanareo amin’izao zava-poana izao,
sy hanatonanareo an’Andriamanitra velona,
izay nanao ny lanitra sy ny tany,
ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao amin’ireo.
Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin’ny lalana tiany Izy;
kanefa tsy nitsahatra ny nanisy vavolombelona
hanambara ny tenany mandrakariva tamin’ny soa nataony,
dia ny mandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra,
ny mahavokatra ny tany amin’ny fotoana,
ka mahavoky hanina antsika sy mahafeno hafaliana ny fontsika.”

Fa na dia izany aza no tenin’izy roa lahy,
dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 113B, 1-2. 3-4. 15-16

Tsy izahay, ry Tompo, tsy izahay, fa ny Anaranao no omeo voninahitra.

Ts’izahay, ry Tomponay ô, ts’izahay
fa ny Anaranao no omeo fiderana.
Lehibe tokoa ny hatsaram-ponao.
Mahatoky raha ny fahamarinanao.
Ny tsy mpino anefa misy manontany:
Iza hono no Andriamanitr’izy ireo?

Ny Andriamanitray dia any an-danitra any.
Ary vitany izay sitraky ny fony.
Raha ny sampin-dry zareo dia volamena, volafotsy:
asan-tanana ireny.

Izy hanambina an’ireo taranakao,
Izy ’lay nanao ny lanitra sy tany.
Raha ny lanitra dia lanitr’Izy Tompo,
fa ny tany lovan-janak’i Adama.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 21-26)

Ny Mpanafaka alahelo, izay hirahin’ny Ray, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy;
ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa,
ka haneho ny tenako aminy Aho.”

Ary i Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe:

“Ahoana, Tompoko,
no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany,
fa tsy amin’izao tontolo izao koa?”

Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy,
ka ho tian’ny Raiko,
ary hankeo aminy izahay ka honina ao aminy.
Fa izay tsy tia Ahy kosa,
dia tsy mba mitandrina ny teniko;
ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy,
fa an’ny Ray izay naniraka Ahy.
Voalazako taminareo izany,
raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.
Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina,
izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako,
no hampianatra anareo ny zavatra rehetra,
sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...