♦ Hanatanteraka fitsidihana any amin'ny Distrikan'i Begavo, eo ambany fiarovan'i Masindahy Luigi Orione, ny 21 mey 2023, i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Mankalaza ny faha-60 taonany ny Sekoly Masindahy Josefa Morombe... ♦ Hotontosaina ny 14 mey 2023 ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Katôlika. Mikarakara izany ny avy ao amin'ny FFBKEM...
♦ 8 miliara Ariary no teti-bola handoavana ny tambin-karaman'ireo mpiandraikitra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, manerana an'i Madagasikara. Natomboka tany Toliary ny fizaràna izany... ♦ Rongony milanja 46,5kg no tratra vokatry ny fifanomezan-tanana tamin'ny fokonolona, ny zandary any amin'ny Distrikan'i Vondrozo, omaly maraina... ♦ Niantso ny federasiôna Malagasin'ny Baolina kitra ny Filohan'ny Repoblika, ny handoavana ny "Primes" na ny fankasitrahana manokana ho an'ireo mpilalaon'ny Barea, izay nandray anjara tamin'ny CHAN farany teo...
♦ Tsy mpisehatra ara-politika ny Bianco, na ny Birao maheleo tena miady amin'ny kolikoly ka ho roitin'ny mpanao pôlitika araka izay hitiavany azy, hoy ny tale jeneralin'ny Bianco... ♦ Fanamby napetraky ny Filohan'ny repoblika ny aha-goavana sy hampahomby ary ahalavorary indrindra ny lalaon'ny nosy 2023, oharina amin'ireo nisy hatramin'izay... ♦ Nahatratra hatrany amin'ny dimanjato ireo mpiasan'ny haino vaky jery nandray anjara tamin'ilay fifaninana "Tournoi Inter média" teny Mahamasiina".
Anisan'ny olana goavana eo amin'ny fiaraha-monina ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina. Miteraka voka-dratsy maro izy ity satria lasa mampisavorovoro ny fiainana ary mampikorontana ny fisainana sy ny fiainam-bahoaka. Ny tokony ho tsarovantsika dia ny fiezahantsika hijoro hatrany fa tsy ho kivy manoloana izany fanelezana tsaho izany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco