06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.
André dia avy any Betsaida, ary rahalahin'i Simona-Piera, mpanarato tahaka azy koa. Mpianatr'i Joany Baptiste izy io ary izy no iray amin'ireo roa mpianatra voalohany nanaraka an'i Jesoa. Jakôba : ilay lehibe na zokiny sy Joany zanak'i Zebede, mpanarato tao amin'ny reniranon'i Tiberiady ihany koa, nanaraka an'i Jesoa tsy nisalasala, nomen'i Jesoa fanampin'anarana hoe "zana-baratra"... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nivadika ho adin'andrim-panjakana ilay raharaha fanadihadiana ny Filoha Lefitry ny CENI, momba ny fivoahan'ny tolo-dalana mifehy ny fifidianana. Miantso fifampiresahana ny KMF/Cnoe, manoloana ity raharaha ity... • Miantso ireo parlementera ny Randrana Sendikaly, hanery ny fitondrana mpanatanteraka, hitady vahaolana amin'ny delestazy... • Maro loatra ireo fitarainana momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ho an'ireo niofana tamin'ny CRINPF. Nanaotra ny hijerena izany ny Vaomiera miady amin'ny kolikoly eny anivon'ny Antenimieram-pirenena...
♦ Nanambara ny filohan'ny Antenimieran-doholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard fa tsy nitory ny filoha lefitra voalohan'ny CENI Andoniaina Andriamalazaray. ; azo amarinina izany hoy izy... ♦ Nitondra valin-kafatra momba ny fitakian'ny olom-boafidy sasany hanalàna amin'ny maha ministra mpiahy ao amin'ny Faritra Boeny azy ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Maroson Moustapha Abdulah. Nanotrona azy koa ny solombavambahoaka Rahantaniriana Lalao... ♦ Hotohizana ny famatsiana solika tahiry ho an'ny orinasa JIRAMA, araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra, ho fiantohana ny famatsiana herinaratra an'Antananarivo...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco