09 jona — Teraka tao Syrie tamin’ny 306 i Éphrem, ary nodimandry ny 09 jona 378 tao Édesse ao atsimon’i Turquie amin’izao fotoana izao. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no nibebaka ka lasa kristianina. Nandalina sy niofana ho an’ny sakramentan’ny filaharana izy fa nijanona teo amin’ny maha-diakra noho ny fanetren-tenany na dia fanta-daza aza izy tamin’ny maha teôlôjianina azy.
Ao amin'ireo Eveka otronin'ireo pretra no mitoetra anivon'ireo mpino i Jesoa Kristy Tompo, Mpisorona fara-tampony. Mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Ray Izy, kanefa tsy banga ny toerany eo afovoan'ny fivorian'ireo evekany. Ny fanamasinana Eveka dia manome feno ny sakramentan'ny Filaharana, mametraka adidy hanamasina sady hampianatra no hizaka... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Samy hafa fiaviana ireo Apôstôly fa nifankahazo fomba fiteny. Lasa fitaovana hanaratsiana ny hafa ny fandrosoan'ny fampiasana ny fitaovan-tserasera (FB, TikTok...). Ilàna fahaiza-mandanjalanja ny hevitra sy ranty atosaky ny tambazotra isan-karazany. Andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ny manoro ny ankizy sy ny mpianatra amin'ny fandanjalanjàna ny fampiasana ny teknlolojia mikasika ny serasera... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
08 jona — Teraka ny 27 novambra 1838 tao amin’ny tanana kely atao hoe Montlogis tao Polminhac ao amin’ny Cantal tao Auvergne i Jacques Berthieu. Mpamboly sy mpiompy ny ray aman-dreniny izy no zokiny indrindra tamin’ireo fito mianadahy velona notaizan’izy mivady. Tao amin’ny seminera zandriny tao Pau izy no niantra talohan’ny niofanany ho pretra tao amin’ny seminera zokiny tao Saint-Flour.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco