Ny zo, ny adidy ary ny andraikitra dia isany mampisy hasina sy haja ny olona tsirairay. Ny hasina sy ny haja dia nanana ny lanjany teo amin'ny Ntaolo Malagasy sy ny finoana Kristiana satria ny "hasina" no fototry ny "fahamasinana" ary ny "haja" no mametraka antsika amin'ny hoe "fahamboniana" ; Andriamanitra irery ihany anefa no manana io fahamboniana io avo indrindra. 

Ao amin'ny boky Jenezy no mamaritra hoe avy aiza ny olombelona sy ny zava-boahary. Ireo voahary noforin'Andriamanitra mialoha antsika olombelona dia fepetra miantoka ny havelomantsika, hitomboantsika sy hivoarana. Mifameno amin'ny fiainan'ny olombelona ny zava-boahary ary ananantsika adidy no miaro ny tontolo iainana mba hahamora ny fifamenoana. Mpiara-miasa amin'Andriamanitra isika hikajy ny voahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany. 

9 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)

Ny "prostate" dia taova madinika, ao amin'ny taovam-pananahan'ny lehilahy, ny vehivavy dia tsy misy an'io. Eo anelanelan'ireo taova kely miisa roa ireo no mandalo ny fantsona handehanan'ny pipi. Ny lanjany dia 15g hatramin'ny 25 g, ireo taova ireo dia mamokatra tsiranoka "liquide seminale", manampy ny tsirinaina ho tonga any amin'ny lalan-jaza. Misy karazany telo ny aretina : 1- prostatite izany hoe fanafihan'ny otrik'aretina, 2- Hypertrophie bénigne de la prostate izany hoe mivonto ny prostate, 3- ny homamiadan'ny prostate...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...