Vakiteny voalohany

Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 9. 9-10)

Indro ny Mpanjakanao avy ho aty aminao manetry tena.

Hoy ny Tompo hoe:

“Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry zanakavavin’i Jerosalema!
Fa indro ny Mpanjakanao avy ho aty aminao;
marina Izy sady arovan’Andriamanitra;
manetry tena mitaingina ampondra, dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.
Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima, mbamin’ny soavaly ao Jerosalema.
Ary hopotehina ny tsipìka fiadiana.
Hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy;
ny Fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina;
ary hatramin’ny ony ka hakamin’ny faran’ny tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 1-2. 8-9. 10-11. 13de-14

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka, misaotra ny Anaranao, ry Ilay Mandrakizay.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka;
ny Anaranao isaorako mandrakizay mandrakizay.
Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.

Midera Anao, ry Tompo, ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao;
ny voninahitry ny Fanjakanao resahiny,
ny asanao mahery teneniny.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 9. 11-13)

Raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

Ry kristianina havana,
ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy,
raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra.
Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy izy.
Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo,
dia izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty,
noho ny Fanahiny izay mitoetra ao aminareo.
Koa amin’izany, ry kristianina havana,
tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.
Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty;
fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe:

“Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo,
fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...