♦ Tsy hahavaha olana ny fijanonana amin'ny "régime par intérim" amin'izao hoy ny antoko Matsilo. Nilaza ny avy amin'ity antoko ity fa vao mainka hiteraka tsy fahamarinan-toerana ny tsy handravàna andrim-panjakàna... ♦ Hisy indray ny famotorana ireo rehetra voatonona tamin'ny angom-baovaon'ny Fitsaràna momba ny fanapoizinana teny Ambohimalaza. Nanazava fohy momba ity raharaha ity ny teo anivon'ny Fitsaràna omaly hariva... ♦ Misy andro ratsy miforona ao atsimon'ny lakandranon'i Mozambika. Voasokajy ho "depression tropicale" izy io, tombanana hitombo hery ka ho lasa rivo-doza anio alina...

Ny manjanaka Portugais dia nametraka paik'ady sy fanjanahana ara-tsaina, fa ny Frantsay dia fanjanahan-tany no nimasoany tamin'ny alalan'ny fandrobàna sy famonoana olona, fambaboana tany. 182 taona no nanjanahan'ny Frantsay ny mponina tao Taolagnaro. 376 taona lasa izany niorenana ny Egilse tao Taolagnaro. Tsy ny Frantsay rehetra nalefa namita iraka teto Madagasikara no ratsy fa nisy maromaro izy ireny no nitondra soa ho an'i Madagasikara. Nanombohan'ireo mpanjanaka ny fidirana teto Madagasikara ny fanorenana toeram-piantsonana lehibe teo amin'ny nosy...

♦ Samy nahiditra am-ponja vonjimaika avokoa ny Jeneraly Richard Ravalomanana sy Ramatoa Sahondrarimalala Marie Michèle, taorian'ny fiakaran'izy ireo fampanoavana omaly hariva... ♦ Tapitra ny 18 janoary teo ny fe-potoan-kiasan'ireo Loholona ary tsy misy fanalavana izany, araka ny fampahafantarana avy amin'ny HCC omaly. Manohy ny fitantanan-draharaha ny filoha mpisolo toerana sy ny kestora... ♦ Manome herinandro ireo tokantrano nampiditra jiro tsy ara-dalàna mba hanala izany an-tsitrapo ny tale jeneraly mpisolo toeran'ny JIRAMA. Hatomboka tsy ho ela hoy izy ny "opération" hiadiana amin'ny tsy ara-dalàna... 

• Misy ny fampitandremana avy amin'ny APIPA amin'ny ho fiakaran'ny rano eto amin'ny lemak'Antananarivo, izay lalovan'ny renirano Sisaony... • Hitohy any amin'ny faritra avy hatrany ny hetsika, Dinika ho fanaingana ny toekarena, izay nosokafana androany tetsy amin'ny CCI Ivato... • Tena zava-dehibe ny fihainoana sy ny dinika iarahana amin'ny sekoly tsy miankina, manoloana ny famaritana ny tetiandrom-pampianarana, hoy i Mompera Jules Ranaivoson...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...