Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, na ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy. Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo. Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo. Fa horoahiny amin’ny sinagôga ianareo, ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra. Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho. Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo. Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao izay azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco