24 jona — I Masindahy Jean Baptiste no ilay mpaminanin’ny Avo Indrindra nanambara sy nilaza ny fiavian’i Jesoa hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy ihany koa no nanao batemy an’i Jesoa teo amoron’i Jordany, ny nahatonga azy nantsoina hoe Jean Baptiste moa dia noho izy izay nanao batemy izay, izy no ilay mpialoha lalana ny Mesia.

Antso tokana ihany no miantefa amin'ny olombelona rehetra dia ny antso ho amin'ny FAHAMASINANA. Ny lalana entina mamaly izany antso izany no misy sampanana maro ka anjaran'ny tsirairay ny misafidy izay lalana entiny manatratra izany fahamasinana antson'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra izany. Ao ireo misafidy ny lalam-piainana amin'ny sakramentan'ny filaharana dia ny fiainana... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

• Tsy azo ekena velively, fa lavina marindrano, ny hevitra ny amin'ny hoe fiaraha-mitantana momba ireo Nosy Malagasy, hoy ny SERA. Mila apetraka mazava tsara anefa ny fiandrianam-pizakana ananan'i Madagasikara amin'ireo nosiny ireo... • Hamoaka ny voka-pikarohana ny Fitsarana momba ny Kaonty sy ny Fitsarana ara-bola. Hisy koa fomba fiasa vaovao hahafahan'ny olom-pirenena mitondra ny hetahetany amin'izay rafi-panjakana mila hanaovana fitsirihana manokana... • Afaka hanatrika ny herinandro fampiroboroboana ny indostria ho an'ny SADC, ireo hivoaka ho mpandresy amin'ilay hetsika Rallyes des industries...

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...