♦ Tany amin'ny 467 km atsimo-andrefan'Itampolo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza mahery Gezani, omaly tamin'ny 3 tolakandro. 120km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 170km/ora... ♦ Manentana ny rehetra mba hanalavitra ny fifanararaotana amin'ny endriny maro samihafa ao anatin'ny voina toy izao ny FFKM... ♦ Hisy amin'ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina no hiakatra Fitsaràna amin'ity herinandro ity. Nisy koa ny fisavàna sy fisamborana ny mpiara-miasa aminy hafa ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy nanadino an'i Madagasikara ny Papa Léon-XIV. Nitondra am-bavaka ireo Malagasy traboina ny Ray Masina...

-- Sanatria tsy hanao vain-drahalahy tsy mba marary ny AROFANINA, ka handingana tsy haneho  ny fiombonam-po amin'ireo malagasy havana, mpiray tanindrazana, nisedra olana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza. Na ny Arofanina aza...sadaikatra..., sahirana hitady voambolana hambara satria tena goavana ny fahavoazana... Raha nahazatra mantsy ny masoandro miposaka avy Atsinanana vao maraina, dia rivodoza harivariva...alinalina...no tonga tsy mba nandrandraina fa nandravarava...

• Efa any Toamasina ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, miaraka amin'ireo eveka maromaro, nihaona tamin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, sy mankahery sy mivavaka ho an'ny mponin'i Toamasina, izay niharan'ilay rivodoza Gezani... • Mitady hisy hibodo ny tanin'ny Arsidiosezin'Antananarivo misy ny Rovan'ny Tovovavy, toerana mifanila sy mifanakaiky amin'ny Fiangonana EKAR Antanimena... • Tsy mihen-danja, ary tsy ho fatin'ny firoborobon'ny teknolojia vaovao ny Radio. Isan'ny nisongadina ireo androany, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny Radio, teny amin'ny Havoria Anosy...

Maro amin’ireo tantsaha ato amin’ny faritra Analamanga no resy lahatra amin’ny fampiasana zezika biolojika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin’ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin’izany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...