Misy ny zo fototra 10 ananan'ny zanaka, takian'ny ankizy amin'ny mpanabe, ny ray aman-dreny ary ny fiaraha-monina. Ao anatin'ny 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy sy maha vavy isika, nanomboka tamin'ny 25 nôvambra teo. Mpiray tsikombatomba ny olona mahita herisetra anefa tsy mitoroka. Santionany amin'ny zo ireto : Zo hanana ankohonana izay hoe ray sy  reny niteraka ary ara-dalana, zo hanana anarana raha vao teraka izay hoe hanana kôpia, zo hitafy mifanaraka amin'ny toetr'andro... 

♦ Nanamafy ny fisian'ny Manamboninahitra roa lahy avy ao amin'ny Tafika izay nikasa hikomy, ny Tonia Mpampanoa Lalàna, eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo... ♦ Nahazo rariny teo amin'ny Fitsarana Antampony ny mpitarika ny Sendikà Asa, Fama Razafimahazo. Nampiatoin'ny Fitsarana ny famindran-toerana azy any amin'ny rantsan'ny Antenimieran-doholona any Antsiranana, araka ny didiy nivoaka... ♦ Asa fampihorohoroana no nandikan'ny Solombam-bahoakan'i Vondrozo, ny tranga fanapahan-doha any amin'ity Distrika ity...

Mitodika manokana amin'ny kristiana ny konsily ka milaza fa "ohatra no tsy maintsy omeny amin'ny fandraisana adidy sy fahafoizan-tena ho an'ny soa iombonana, ka ny asany no entiny mampiseho fa azo arindra ny fahefana sy ny fahalalahana, ny hevitry ny tena samirery sy ny asa vadi-drano ary ny filàna ny fokonolona miara-monina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

29 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...