29 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

Alohan’izany rehetra izany, mazava ny tenin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa hitondra ny mafy izy ireo: hosamborina, hohenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpifehy noho ny Anarany. Tsy noho isika fa Izy. Tsy hoe izy avokoa rehefa misy fisamborana sy fandratrana na fijaliana: tsia fa misy mantsy miharitra izany noho ny antony hafa ka tsy ireny no lazain’i Jesoa eto fa izay miharitra izany noho ny Anarany ihany. “Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo”, hoy Izy. Midika izany fa izay mpianany dia hanaraka Azy sy izay nataony rehetra. Niharitra ny mafy indrindra Izy noho isika, ka isika koa tokony hiharitra izany noho Izy. Na izany aza, tsy avelany ho irery isika miatrika izany fijaliana izany fa ombany hatrany, araka ny hoe: “Hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively”. Moa tsy ny Fanahiny va izany? Ka aiza indray no misy ohatra izany. Tsy maintsy hahery isika noho izany. Koa tsy ny herintsika fotsiny ihany fa eo indrindra ny Fanahiny mankahery sy manome hevitra antsika. Ny “batterie” lany herinaratra mila fahanana, ny “credit” lany fahana mila ampidirana raha tiana hitohy ny serasera.

Eto koa, mazava ny lazain’i Jesoa fa mety ho ny akaiky antsika ihany no hahatonga izany, toa ny iray tampo, ireo havana aman-tsakaiza, ka aza gaga. Firifiry moa ankehitriny ny mpiray tampo, ny mpihavana, ny mpifanolo-bodirindrina tsy mitovy finona, ka tsy vitan’izany ihany fa mifanaratsy sy mifanenjika ny amin’izany? Samy mitana ny fombany sady sarotiny amin’izany. Manjary lasa mivakivaky sy misamatsamaka tsy toy ny iray ihany intsony. Tsy voatery noho ny vola ihany fa eo koa ny finoana. Lasa mahamenatra!

Izao anefa: sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra isika ka tsy tiany hisy ho very: “Tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza”. Fa isika no manary tena matetika ka ataony ahoana moa! Tsiahivina amintsika fa ny voary rehetra nataony dia nilazany fotsiny hoe: “Misia”, dia nisy fa isika kosa nisasarany, novolavoaliny sy nomeny ny fofon’Ainy ka raha izany ahoana moa no ho potehiny fotsiny na ariany any! Tsia, fa satriny ho tehiriziny miaraka aminy mandrakizay. Mazava koa eto ny tenin’i Jesoa: “Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.” Mila maharitra isika, indrindra ny amin’ny finoana fa tsy ho maika lava toy ny mpanara-dia omby very na koa hiova loko matetika toy ny tana na hanidina toy ny akofa. Koa aoka tsy ho ny tenantsika ihany fa izay manodidina antsika no miara-dia mifamonjy re fa tsy mifanary izany! Alao hery àry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...