♦ Nosokafana tamin'ny Sorona Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa, ny “Chapitre Provincial” faha-11 an'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy... ♦ Tsy hisy intsony ny fifidianana Filoha'ny Antenimieram-pirenena vaovao, fa izay Filoha Lefitra ankehitriny, zokiny indrindra, no misolo toerana vonjy maika, mitantana ity andrim-panjakana ity... ♦ Tsy ny fanolanana no mihamitombo eto Madagasika, fa lasa mihamaro ireo sahy mitory sy mampahafantatra ireny tranga fanolanana ireny...

♦ Andrikitry ny fikambanana Salezianina ny fitaizana sy fanabeazana ary ny fitoriana ny Evanjely ho an'ny tanora, isan'ny nivoitra nandritra ny fanokafana ny “Chapitre Provincial”, nataon'ny Nonce tety Ivato ireo androany... ♦ Velona avokoa saingy nafindra toerana, 48 ora mialoha ny fandalovan'ilay rivodoza Gamane, ireo mponina tao amin'ny tanànan'i Beriziky, any Ambiloha, hoy ny Tale Jeneralin'ny BNGRC... ♦ Ny 65% an'ny fandaharam-pianarana no efa vita amin'izao roavolana fahatelon'ny taom-pianarana izao, ho an'ny CISCO Antananarivo Atsimondrano...

♦ Tanterahana ety amin'ny “Maison Provinciale” ety Ivato, manomboka anio hatramin'ny sabotsy 6 aprily 2024, ny “Chapitre Provincial” an'ny Fikambanana Salezianina... ♦ Distrikan'Anjozorobe: mamokatra soja 80.000 taonina isan-taona. Nametrahana milina mpanodina ny soja sy ny voanjo ho lasa menaka, any an-toerana... ♦ Fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny firenena Sinoa: handefa mpanao gazety Malagasy hanaraka fiofanana any amin'ity firenena ity isika, hoy ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera...

♦ Nitombo avo roa heny ny isan'ireo niditra teny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona, nandritra ny andron'ny Paka sy ny omaly alatsinainin'ny Paka. Nitombo toa izany koa ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny Seraseran'ny HJRA... ♦ Mbola miaina fanilikilihana eo anivon'ny fiaraha-monina sy an-tsekoly ireo manana toe-batana “autiste”. Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny zon'izy ireo... ♦ “Zandarimaria MAFI”, izay no lohahevitra voizina mandritra ny ny fanamarihana ny Andron'ny Zandarimaria, nanomboka androany...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...