♦ Mila fihaonan'ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fampiakarana ny saran-dalàna, isan'izany ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa hoy ny filohan'ny PMH, Andry Vola Razafindralambo...  ♦ Hiatrika ny tapany fahatelo amin'ny taom-pianarana indray ny mpianatra rehetra manerana ny nosy manomboka androany. Misedra olana amin'ny fanarahana ny fianarana nefa ireo mpianatra any amin'ny toerana lavitra andriana amin'ny fotoam-pahavaratra toa izao... ♦ Mila paik'ady matotra ny fananganana firenena matanjaka sy vanona hoy ny filohan'ny antoko TIM, Marc Ravalomanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Telo volana omaly ny ady eo amin'ny Hamas Palestiniana sy ny tafika Israeliana...

Izao tontolo izao no hirin'Andriamanitra ho fianakaviany. Ity alahady ity dia hankalazana manetriketrika ny nisehoan'ny Tompo ho amin'ny olombelona rehetra, ny famangian'ireo Majy an'i Jesoa Mesia, voateraka notantarain'ny Evanjely. Ny Majy dia tsy isan'ny Jody ary tsy mahafantatra ny faminaniana, sokajiana fa avy amin'ny hafa firenena, azo ambara anefa fa mpanjakan'ny tsy mpino sy ny mpanompo sampy. Toa an'i Abrahama ny Majy izay nantsoin'ny Tompo hiala amin'ny taniny ho any amin'ny tany nampanantenaina ho azy izay nentanin'ny finoana. Raha te hahita sy hihaona amin'ny Tompo isika dia mila mandeha lavitra ombam-pinoana, finiavana, herimpo... 

♦ Nitondra ny heviny ny Fivondrondam-ben’ny Eveka eto Madagasikara manoloana ilay fanambarana nataon’i Papa François mikasika ilay taratasy "Fiducia Supplicans"... ♦ Ady tsy misy fiafarana hoan’ny Kristianina ny fiarovana ny finoana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience Générale, ny 03 Janoary 2024... ♦ Nankahery ireo misionera miasa any ambanivohitry LaFrantsa, mba hanohy ny asan’izy ireo hatrany, ny Papa François... ♦ Mila manorina ny tetezan’ny fiadanana isika, hoy ny Papa François, tao amin’ny gazetibokin’ireo Frera Fransiskanina, ny alakamisy 04 Janoary 2024...

♦ Manahy ny fivangongoan'ny fahefana amin'ny filohan'ny Repoblika amin'ny fanendrena ny mpikamban'ny governemanta ny KMF/Cnoe... ♦ Tsy nanomana ireo izay hiara-hiasa aminy hitantana ny firenena ny filohan'ny Repoblika matoa mbola handray "CV" sy hitsapa ny fahaizan'ireo izay te ho ministra ao amin'ny governemanta, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Nisy nandroba ny fiangonana EKAR Saint Jena de Matha Andranomadio, Diôsezy Tsiroanomandidy ny alarobia teo... ♦ Mitaky onitra mitentina 370 tapitrisa Dolara amin'ny filoha Amerikana teo aloha, Donald Trump ny fanjakàna any New York - Etazonia, noho ny ambaran'izy ireo fa nanao osoka ara-bola ity filoha amerikana teo aloha ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...