♦ Hiakatra fitsarana eny amin'ny HCC Ambohidahy anio, ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho... ♦ Nangataka ny hanafoanan'ny HCC ny fifidianana Solombavam-bahoka farany teo ny RMDM. Tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato ka tsy nahomby tamin'ny fikarakarana ny CENI, hoy ny Rodoben'ny mpanohitra... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo ny tarika Sahondrafinina Zanany, mpanao Hira Gasy. Mpikambana iray ao amin'ny tarika no namoy ny ainy...

♦ Tapitra androany ny fe-potoana nahafahana nametraka fitoriana teny amin'ny HCC. Miantso ireo mpitsara tsy hampiady ny Malagasy, fa hijery ny tombontsoam-pirenena, ny antoko Vonona Hijoro ho an'i Madagasikara... ♦ Tokony hofoanan'ny HCC ny voka-pifidianana Solombavam-bahoka teo, hoy ny RMDM androany. Nambaran'ny Rodoben'ny mpanohitra fa tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato, ka tsy nahomby ny CENI tamin'ny fikarakarana... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo androany ny Tarika Sahondrafinina Zanany. Mpitendry lokanga iray ao amin'ny tarika no maty noho ny ratra nahazo azy...

♦ Mankalaza miaraka ny andro eran-tany ho an'ny tontolo iainana sy ny andro eran-tany ho an'ny ady atao amin'ny fihangazàn'ny tany sy ny hain-tany isika eto Madagasikara manomboka androany. Ao Toliara, Faritra Atsimo-andrefana no hanaovana ny hetsika momba izany... ♦ Distrika maro any amin'ny tapany atsimon'ny nosy no lasibatry ny andiam-balala amin'izao fotoana izao. Nisy ny fivoriana vonjy maika niarahan'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknina sy ara-bola manoloana ny ady atao... ♦ Hanome lanja ny vokatra vita malagasy amin'ity volana jona ity ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara (SIM). Hetsika marolafy no entin'izy ireo manatanteraka izany...

Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny.  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...