Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 23, 1-6)
Mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin’ny kijanako,
— teny marin’ny Tompo.
Koa izao no lazain’ny Tompo, Andriamanitr’i Israely,
ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako:
Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo;
tsy niahy azy ireo ianareo.
Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo, ny haratsian’ny nataonareo,
— teny marin’ny Tompo.
Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko,
avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy,
dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy;
ka hitombo sy hihamaro.
Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho;
ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy;
sady tsy hisy diso tsy eo na dia iray aza,
— teny marin’ny Tompo. —
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo,
hananganako solofo marina ho an’i Davida;
hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry, hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena,
i Israely handry feizay;
ary izao no anarana hanononana azy:
“Tompo-fahamarinantsika”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5-6
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.
Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko,
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 13-18)
Ry kristianina havana,
ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny,
dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.
Fa Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray.
Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana;
tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika,
mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany;
fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta,
ho tena iray amin’Andriamanitra,
noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.
Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra,
sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa,
satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray
ao amin’ny Fanahy iray ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Tamin’izany andro izany,
nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:
“Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”;
fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka
ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Noamasinina sy napetraka amin'ny fikerahana ho Eveka ao ami'ny Diôsezi'i Maintirano omaly Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo ; Eveka faharoa tao amin'ny Diôsezy izany... ♦ 11 no maty, 7 hafa naratra, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faha-8A, mampitohy an'Antsalova sy Maintirano. Fiarabe mpitatitra vato nikasa ho any Maintirano nitondra olona 24 no nivadika vokatry ny lalan-dratsy... ♦ Sarotra ny manova ekipa amin'izao toe-draharaha pôlitika misy eto Madagasikara izao ka rariny raha tsy nanova Praiministra ny filohan'ny repoblika hoy ny solombavambahoaka manohana ny fitondrana... ♦ Lasan'ny Espaniôla ny Euro 2024...
Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...
Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco