♦ Hiatrika fivoriana ara-potoana manomboka rahampitso ny Antenimieram-pirenena. Andrasana ny hevitry ny eny Tsimbazaza momba ny nisamborana ny naman'izy ireo dia ny solombavambahoaka Naivo Raholdina... ♦ Miala any ny famolavolana lalàna hiarovana ireo mpampaneno lakolosy (lanceur d'alerte). Mety hatolotra hodinihina eny amin'ny Antenimieram-pirenena amin'izao fivoriana ara-potoana izao io volavolan-dalàna io... ♦ Hosoloina ny bozaky ny kianja Barea Mahamasina, hahazoana ny fankatoavan'ny CAF. Hanapa-kevitra momba izay karazam-bozaka hasolo ny misy amin'izao ny Fanjakàna amin'ity herinandro ity...

♦ Mpanao gazety 109 no notolorana mari-boninahi-pirenena omaly, ivon'ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety... ♦ Nosamborina ny solombavambahoaka Naivo Raholdina ; vao tafaverina avy nitsabo-tena tany ivelany nandritra ny volana maromaro izy izao voasambotra izao... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo olona 11 voarohirohy tamin'ilay fanafihana mitam-piadiana teny amin'ny Jovena Ambodimita. Nalefa eny Tsiafahy ny 9 tamin'izy ire... ♦ Nanambara ny firotsahany ho fidiana ho filoha any Frantsa i Jean Luc Melanchon...

---/…  Nanamarika ny 03 mey, andro isaisam-pirenena ho an’ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety isika omaly. Niavaka izany tamin'ity taona ity ho antsika teto Madagasikara satria andron'ny fanavaozana tokoa angamba. Herinandro mialoha tokoa manko no efa nisy ireo hetsika isan-karazany,  ary mbola nitohy omaly  ivon’ny fankalazana, tamin'ny alalan’ny fizarana mari-boninahitra ho an'ireo nahavita be teo amin'ity sehatra ity. Velom-pisaorana ny amin’izany ny Arofanina...

Antso lehibe ho an'ny fanambadiana ny fanohizana ny asam-paharian'Andriamanitra amin'ny fiterahana. Ny firaisana ara-nofo dia natao hiterahana. Ary ny mpivady na miray amin'ny fotoana tsy maha lonaka ny vehivavy aza dia tokony ho ao an-tsainy mandrakariva fa ny firaisam-batana ataon'izy ireo dia fanohizany ny asa-pahariana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...