♦ Praiminisitra Ntsay Christian: hiatrika ny Antenimiera mpanao lalàna, hampahafantatra ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana, na ny PGE, anio sy amin'ny alatsinainy ho avy izao... ♦ Mijanona ho 20% ny hetra alaina amin'ny ampahan'ny karama farany ambony. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ihany no mametra ny fiakaran'ireo karazan-ketra misy eto amin'ny firenena, hoy ny Foibe-pitondrana ankapoben'ny hetra... ♦ Orinasa JIRAMA: misy indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny eto Antananarivo sy ny manodidina, noho ny fihenan'ny tosiky ny rano anatin'ny vanim-potoana main-tany...
Ny Salamo dia vavaka tao amin'ny tempolin'ny Jody ; ny fanoratana azy dia tao amin'ny tontolo manodidina ny tempoly. Tsy nijanona ho vavaky ny tempoly fotsiny anefa ny Salamo fa nitohy tamin'ireo Sinagôga isan-tanàna. Nanana anjara toerana lehibe teo amin'ny fivavahana Jody ny Salamo, tsy nifidianana toerana fa na Tempoly na Sinagôga... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
9 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
♦ Efa ôfisialy fa ny 11 desambra 2024 no daty hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina eto amintsika. Nankatoavina ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy amin'izany fifidianana izany... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaa rahampitso ny Praiminisitra, hanolotra ny fandaharan'asany ho fampandrosoana ny firenena... ♦ Mbola mitohy ny fitokonana faobe ataon'ireo mpiasan'ny FOFIFA manerana ny nosy, hitakiana ny fialan'ny Tale Jeneraly. Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha izy ireo hatramin'ny androany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco