Manana adidy ny hanarina ny fiaraha-monina ny tsirairay ; ny rehetra rahateo dia samy voakasiky ny hodidina telozoron'ny fanabeazana. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana dia : Ny mpampianatra sy ny mpanabe, ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina, ary indrindra ny Mpianatra tenany. Efa taon-jato roa no nisian'ny finoana kristianina teto Madagasikara fa indrisy mbola ezaka goavana ny fampandalàna ny fahamarinana sy ny fametrahana ny fahaiza-mitarika... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.
Ny ataon'ireo manodidina dia mahatonga fisalasalana, mahatonga fanilikilihana satria rehefa tsy mifanaraka amin'ny fanaon'ny olona dia voahilika, tsy ara-miaraka. Ao anatin'ny olona ihany no isehoan'ireo karazana ady maro, mahatonga ny fiaraha-monina tsy hifankahazo ; ny tsy hafahaizana mionona no miteraka fitsiriritana sy fakam-panahy... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco