• Niditra an-tantety alina tany amin'ny Distrika Sambava ilay andro ratsy any avaratry ny nosy. Mahazo filazàna loza manambana ny Faritra Dianà, Savà ary Ambotosoa...
  • Homarihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany isika eto Madagasikara. Samy hanan'ny hetsi-panamarihana ny fikambanana samihafa. Any Mahajanga ny fankalazàna nasiônaly...
  • Nahatratra vovo-bolamena 1595 grama saika ahondrana an-tsokosoko any ivelany indray tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Teratany Indiana iray Handeha any Dubai no nitondra ireo vovo-bolamena ireo...
  • Nidaroka baomba ny tany avaratry ny faritra Gaza indray i Israël omaly. Fanafihana nambaran'ny Israelianina fa hamongorana ireo mpampihorohoro...

08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.

I Jesoa Mpisorona mampianatra antsika hivavaka lalandava ary noraisin'ireo mpianany ka amporisihiny antsika mba hivavaka lalandava. Tsy afaka hitonona ho kristianina isika raha tsy mivavaka ary ny fiainam-pinoantsika dia marefo raha tsy mivavaka isika. Io vavaka io no anisan'ny asa voalohany takiana amintsika kristianina hanehoantsika ny finoantsika... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Tany amin'ny manodidina ny 260 km atsinanana somary avaratra atsinanan'i Vohémar, no nisy ny foiben'ilay andro ratsy ao atsinanan'ny Faritra Sava, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Hiakatra fitsarana eny amin'ny Tendrom-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly, na ny PAC, ny alatsinainy 10 marsa 2025, ireo voarohirohy tamin'ny rahararaha fanjavonan'ny cocaïne milanja 200 kg tratra tany Nosy-Be... • Omena lanja manokana mandritra ny hetsika “Foire Internationale de Madagascar”, na ny FIM 2025, ny fisokafan'i Madagasikara amin'ireo firenena afrikanina mivondrona ao amin'ny SADC...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...