• Olona 43 isa nampidirina am-ponja vonjy maika noho ny resaka kolikoly tao anatin'ny telo volana, miisa 580 kosa ireo fitanana an-tsoratra vita sy nalefan'ny BIANCO any amin'ny Fitsaràna...
  • Fako manodidina ny 10.000 taonina no nalan'ny APIPA tamin'ireo lakan-drano tao Antananarivo renivohitra tato anatin'ny 5 volana farany amin'ny taona 2024...
  • Nametraka tanjona ny hizoran'ny fetin'ny Noely sy ny Faran'ny Taona, anatin'ny filaminana sy ny fitoniana ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena...
  • Nampanantena ny hanafoana ny transgenre aorian'ny fahavitan'ny fihanihanany ny filoha Amerikana Donald Trump, tsy misy karazany hafa ankoatra ny lehilahy sy vehivavy ny vahoaka Amerikanina hoy izy...

  • Miato mandra-pivoaka ny valin'ny fanadihadiana ataon'ny "Cyber-Criminalité" ny fampiasana ny tranokalan'ny CENI taorian'ny fisian'ny "piratage" nitranga ny faran'ny herinandro teo hoy ny Sekretera Mpanatanteraky ny CENI...
  • Nosamborina ary atao andrimaso eny amin'ny Toby Ratsimandrava ny mpikatroka avy amin'ny Antoko Tiako I Madagasikara Jean Luc Randriamihaotra, tsy afaka nijery sy nanatitra mpisolovava hiaro azy ireo mpiray Antoko aminy...
  • Ny any amin'ny Faritany Fianarantsoa, Toliara, ary Toamasina indray anio 23 desambra no hamoaka ny vokam-pifidianana Ben'ny tanàna vonjimaika, izay notontosaina tamin'ny 11 desambra teo...
  • Naaton'ny Praiministra Albanais Edi Rama mandritra ny heritaona ny fampiasana ny TikTok any amin'ity firenena ity, taorian'ny herisetra tamin'ny fampiasana izany ka nahafatesana mpianatry ny kolejy iray...

I Jesoa dia efa mahafantatra hoe "Masina Andriamanitra", araka izay voalaza ao amin'i Joany 17, 11 : "Ray Masina ô, Tehirizo amin'ny anaranao izay nomenao ahy." Efa ilay vavaka nampianarin'ny Tompo mihitsy no fampiharana, araka izay volaza ao amin'i Lioka 11, 2 : " Raha mivavaka ianareo, manaova hoe - hohamasinina anie ny anaranao."... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

23 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely— Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...