• Hiakatra ny vidin-tsolika amin'ity taona 2025 ity. Voalaza fa hisondrotra 200 Ariary isaky ny litatra isam-bolana izany, mandram-pahatongan'ny vidiny tena izy...
  • Hiverina indray ny fisoratana anarana ho an'ireo maniry hisitraka fitsaboana amin'ilay sambo hôpitaly Mercy Ships. Nisy ny dinika niresahana izany omaly tany Toamasina...
  • Anarana miisa 2 no efa mandeha fa mety ho mpanazatra ny Barea. Nitondra fanazavàna ny FMF omaly fa tsy mbola nisy ny famoahana izay ho mpanazatra saingy ho fantatra tsy ho ela...
  • Voafonja an'arivony no nomen'ny fitondràna miaramila any Birmanie famotsoran-keloka. Famotsoran-keloka noho ny fahaleovantenan'ity firenena ity androany 4 janoary 2025...

  • Efa nigadona tao Farafangana omaly hariva ny Eveka vaovao ho an'ity Diôsezy ity. Misy ny akon'ny fitsenana azy tao Manakara sy Vohipeno omaly...
  • Mangataka ny hamelàna ny fidinana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny filoha lefitra faha-7 eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Ravao ny CENI hoy ny vovonana Firaisan-kina, omaly...
  • Mandrahona ny hanao hetsi-pitakiana ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy. Hetsika noho ny tsy fisian'ny fisondrontan-karama, nefa midangana ny vidim-piainana...
  • Nandamoaka ny fisamborana ny filoha koreana tatsimo teo aloha, Yoon Suk Yeol, omaly. Tomefy ireo mpiambina sy mpanara-dia azy an-jatony ny trano fonenany saika hisamborana azy tao Séoul...

I Masindahy Odilon no tsaroana ny 04 janoary. Teraka ny taona 962 tao Saint-Cirgues (Haute-Loire) i Odilon. Tompomenakely tao Mercœur ao Auvergne ny fianakaviany ary nanana tany nanelanelana an'i Brioude sy Langeac. Nanomboka ny fiofanana ho Chanoine tao amin'ny fiangonan'i Masindahy Julien tao Brioude izy.

Tsy tokony hotsinotsinoavina ny vavaka am-bava. Ny vavaka am-bava no vavaky ny olona tsotra, vavaka tahaka izay nampianarin'i Jesoa antsika : Rainay any an-danitra... Ny teny tononintsika dia azontsika dinihina tsirairay ny dikany sy ny hevitra raketiny mba hiotazana voka-tsoa. Tena tsapa fa amin'ny fotoana sasany dia tsapa fa misy lanjany ary tena manome hery ny vavaka am-bava... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...