♦ Mbola tsy voahaja ihany nanomboka ny maraina teo ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny tokony tsy hivoahana ny trano. Mbola maro ireo mivezivezy eny an-dalambe... ♦ Misy mitaraina mafy ireo lehiben'ny fokontany fa mitangorona manoloana ny biraom-pokontany ireo zokiolona sy mpanasa lamba mitaky ny anjara volany araka ny fampanantenan'ny Filoham-pirenena...

♦ Nisy omaly hariva ny vavaka notarihan'ny papa François teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, any Vatican Roma, nitalahoana amin'Andriamanitra manoloana izao fihanaky ny Covid-19 maneran-tany izao... ♦ Nitombo telo indray ireo fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasika. 26 izany izao ireo olona ahitana izany... ♦ Handray fepetra mafimafy kokoa ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny mpitandro ny filaminana ho an'ireo tsy manaja ny tsy tokony hivoahana ny trano...

Sabotsy 28 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 40-53 — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

♦ Aoka isika hanaraka ny fepetra rehetra apetraky ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny isorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus, isan'ny nambaran'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana io... ♦ 26 izao ireo fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Tsy misy olona voan'ny Coronavirus ao amin'ny fonjan'Antanimora... ♦ Voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny faritra Anosizato...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...