♦ Tafakatra 656 ny mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 44 ny tranga vaovao hita omaly... ♦ Mitaky ny hamoahana ny valin'ny fitikiana natao tany Vangaindrano ny solontenan'ny ray aman-dreny avy any an-toerana, Andriamatoa Cyril Rasambozafy... ♦ Vao mainka hiteraka olana ho an'ny mpanjifa ny fepetra vaovao nampiharin'ny Jirama amin'ny fomba fanefana ny jiro sy ny rano ankehitriny...

Zoma 29 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr'izao tontolo izao.

♦ Olona 44 indray no voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Efa milamina ny ao amin'ny Oniversite'ni Barikadimy any Toamasina. Namaha ny olan'ny mpianatra avy hatrany ny Governoran'ny faritra Atsinanana sy ny Ben'ny tananan'i Toamasina... ♦ Mirongatra ny tsy fandiampahalemana any amin'ny distrikan'i Miarinarivo...

♦ Gaboraraka ny fitrandahana volamena sy vatosoa ankehitriny ka tokony sokafan'ny fanjakana ny fanomezana fahazoan-dalana amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany Mananjary, Randrianandrasana Norbert... ♦ Notohanana sakafo misy otrik'aina samihafa ny olona marefo ao amin'ny faritra Alaotra Mangoro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...