Zoma 29 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr'izao tontolo izao.

0 : 00

Ry kristianina havana, efa akaiky ny fetin’ny Pantekôty. Tamin’io fety io indrindra, taorian’ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’i Masina Maria sy ny Apôstôly, no sahy niseho andro ilay Eglizy vao niorina. I Masindahy Piera, ilay piera (vato) araka ny anarana nomen’i Kristy an’i Simona no lohany. Dimbin’i Kristy izy.

Ny Evanjely amin’ity andro ity àry, dia mitantara ilay resaka nifanaovan’i Kristy sy i Masindahy Piera. Fantatsika tsara fa io Piera io ilay mpianatra nandà intelo an’i Kristy talohan’ny maneno akoho, tamin’ny fotoana nisamborana an’i Kristy sy ny nanamelohana azy ho faty. Amin’ity Evanjely ity anefa dia toa ampanaovina fiekem-pinoana na fiekem-pitiavana ampahibemaso izy hanonerana ireo fandavana tany aloha ireo, mialohan’ny handraisany ity andraikitra manokana nankinin’i Kristy aminy ity.

Ho antsika ankehitriny, iza no tsy efa nandà an’i Kristy ? Iza no tsy efa mody tsy niseho ho kristianina rehefa sendra andro sarotra sy fisedrana ny finoana ? Tsy ireny tsy fahamendrehana ireny anefa no tompon’ny teny farany amin’ny finoantsika kristianina fa ny fahavononana hanonitra sy hiova. Jereo ange e! Asa mankadiry amin’ny fitantanana ny Eglizy no nankinina tamin’i Piera ilay fatra-pandà tany aloha. Mitohy mandraka ankehitriny izany andraikitra lehibe izany ao amin’ny Eglizy, ao amin’ireo papa izay dimbin’i Masindahy Piera.

Hivavaka àry isika ho an’ny papa izay misedra zavatra maro ankehitriny kanefa miezaka isan’andro isan’andro maneho amin’i Jesoa, sahala amin’i Masindahy Piera hoe : “fantatrao fa tiako Ianao”! Mifampivavaka ihany koa isika mba samy hiova, hibebaka ary ho apôstôly mafana fo tahaka an’i Masindahy Piera amin’ireo sehatra izay iantsoan’i Kristy antsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...