Zoma 12 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
♦ Olona 16 vaovao indray no sitrana soa aman-tsara tamin'ireo nararin'ny Coronavirus teto amintsika... ♦ Ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana indray no niatrika ny Solombavam-bahoaka, nilaza ny fandaharan'asany... ♦ Mitaky ny hampakaran'ny parlemantera ny teti-bola ho an'ny sehatry ny rano fisotro madio ny vondron'ireo fiaraha-monim-pirenena...
Marihina isaky ny 12 jona ny andro erantany hiadiana amn'ny fampiasana ankizy. Miantso ny tompon'andraiki-panjakana i Papa François mba hitady vahaolana handresena izany.
♦ Hafindra toerana ny fananganana ny tetik'asa Tanamasoandro saika hatao tao Ambohitrimanjaka sy ny manodidina... ♦ Mitohy ny sehatr'asan'ny Toby Akamasoa amin'izao hamehana ara-pahasalamana izao... ♦ Mitaraina ny olona manana fahasembanana fa atao ankilabao izy ireo mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco