Talata 10 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 7-10 — Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

♦ Teren'ny lalàna tsy maintsy mitoroka ny tranganà fanolanana na herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy ny fiaraha-monina... ♦ Homarihina manomboka anio tolakandro hatramin'ny 13 novambra ho avy izao ny fahatsiarovana ireo tanora Malagasy nandray anjara tamin'ny ady lehibe roa natrehan'izao tontolo izao... ♦ Tsy nanampo ny ho faharesen'ingahy Donald Trump tamin'ny fifidianana filoham-panjakana amerikana ireo mpomba azy any Pensylvanie...

♦ Tsingerina eo amin'ny fiainan'ny olombelona : Fahaterahana, zaza mena-vava, ankizy, tanora, olon-dehibe, antitra, fahafatesana... ♦ Famaritana ny atao hoe fahanterana : Dingana faratampony amin'ny fivoaran'ny zava-mananaina.. ♦ Arakaraky ny olona tsirairay avy ny endriky ny fahasamihafana eo amin'ny fahanterana...

♦ Isan'ny fanamby goavana ho an'ny sekoly sy ny fanabeazana katolika amin'izao taom-pianarana vaovao izao ny fiatrehana ny Covid-19... ♦ Hitohy amin'ity herinandro ity ny fifampiresahan'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena sy ny sekoly tsy miankina, handraisana ny soso-kevitr'izy ireo momba ny fampiharana ilay tetipivoaran'ny fanabeazana... ♦ Voafidy ho filoha amerikana ingahyJoe Biden, ho filoham-pirenena hampiombona fa tsy hampisaraka no isan'ny fanambiny... 

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...