♦ Nampahafantarin'ny HCC ny didy manendry Solombavambahoaka roa vaovao, hisolo toerana ny Solombavambahoaka iray nodimandry sy iray hafa voafidy ho Loholon'i Madagasikara... ♦ Ialokalofan'ny valan'aretina Covid-19 ny fanombohan'ny taom-pitsarana 2021, hoy ny Filoha voalohan'ny Fitsarana antampony eto Antananarivo, tsy sakana amin'ny fanatanterahana ny asa anefa ny fisian'io aretina io...
Sehatra voalohany ifankaherezana sy ifanohanana ny fianankaviana. Ny fankaherezana ny zanaka dia manampy azy hanorina ny maha-izy azy, hivelatra ara-tsaina sy ara-piaraha-monina ka antoka ho an'ny hoaviny. Ny fifankaherezan'ny mpivady dia mampiroborobo ny fifankatiavana sy manampy azy ireo hanatsara hatrany ny fifandraisany, ary mampivelatra ny maha-olona ny tsirairay...
Nametraka fandaminana, hanampiana sy hanamorana ny fandalovan'ireo olona avy any atsimon'ny nosy, handeha hila ravin'ahitra any amin'ireo faritra hafa eto Madagasikara ny teo anivon'ny Ministeran'ny Mponina, ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny BNGRC...
Zoma 15 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Marka 2, 1-12
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco