Noresahina nandritra ny diniky ny Mpamokatra nokarakarain'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly teny Nanisana tao Antananarivo renivohitra tamin'ity volana janoary ity ny momba ny fiovaovan'ny toetr'andro... 

Misy mikasa hivarotra tany amin'ny vahiny any Nosy-Be, raha ny tatitry ny filohan'ny filankevitra monisipaly any an-toerana sady Loholona teo aloha, Joseph Yollande. Milaza ny tsy hanaiky izany, hoy izy, ny mponina any an-toerana ka mikasa ny hanao hetsika ho fenoherana izany...

Mifankahery sy mifanohana rehefa misy zava-tsarotra hatrehina satria mahatsiaro fa matahotra, osa, tsy manana ny ampy. Ilaina ny mifankahery sy mifanohana ara-batana, ara-tsaina, indrindra ara-panahy. Manamafy izany ny hafatry ny Pape François ho an'ny andro manerantany faha-29 ho an'ny marary ny 11 febroary 2021 : iray ihany ny mpampianatra anareo, ary mpiraharaly avokoa ianareo rehetra. Ny fifandraisana am-pitokisana no fototra amin'ny fikarakaràna ny marary...

♦ Namoizana ain'olona iray tany Maroantsetra, raha ny fantatra aloha hatreto, ny rivodoza Eloïse. Tafakatra 2804 kosa ireo olona traboina... ♦ Olona 33 tamin'ireo 44 natao fitiliana no voamarina fa tratran'ny Coronavirus, teny amin'ny tranon'ny mpianatra teny Ankatso...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...