Hikatona anio alatsinainy 9 desambra amin'ny 12 ora alina ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidinana Ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina, izay hotontosaina ny alarobia 11 desambra 2024 ; saika fa nahavita ny kandidà tamin'ny faran'ny herinandro teo ...
Mandray andraikitra amin'ny fampisitrahana ny olom-pirenena ny rano ny fidiovana ary ny fanadiovana ny OSCEAH ; nihaona tamin'ny Kandidà ho ben'ny tanàna taminà Kaominina miisa 30 ity firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana ity...
Marihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ady amin'ny kolikoly. Loha-hevitra : Miombona amin'ny tanora hanohatra ny kolikoly, manangana ny ampitso hanjakan'ny fahitsina...
Tsy misy afaka milaza fa tena mahay mivavaka, fa ezaka mitohy mandrakariva izany, ny Mpianatr'i Jesoa aza nifanerasera naharitra taminy dia mbola nangataka ihany hoe " mba ampianaro mivavaka izahay". Tamin'izany andro izany, ny "Rainay any an-danitra" araka ny voalazan'ny Evanjely no nampianarin'i Jesoa, fa ankehitriny dia maro ireo endriky ny vavaka ampianarin'ny Eglizy... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
9 desambra 2024 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika— Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)
Boky Tononkira dia Tononkira 2, 8-14
Injay ny feon’ny malalako,
indry tamy izy miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra;
mitsambikina amin’ny havoana.
Manahaka ny gazela ny malalako,
sy ny zanaky ny serfa vavy.
Indro izy eo ivohon’ny rindrin’ny tranonay,
mijery eo am-baravarankely,
mijery eo amin’ny makarakara.
Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe:
“Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Fa indro ny ririnina efa lasa,
ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.
Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany,
ny fotoana fihirana efa tonga.
Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;
efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka,
ny voaloboka mamony efa mamerovero;
mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato mideza,
asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao,
fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 2-3. 11-12. 20-21
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo.
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.
Ny fanahinay manantena ny Tompo;
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany masina no ifefenay!
Aleloia. Aleloia.
Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
Tamin’izany andro izany, niainga i Maria,
ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo, niantso mafy hoe:
“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao
no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino
fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco