Zoma 28 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 11, 11-26

♦ Ny eo anivon'ny Covax, izay mpiara-miasa nanafarantsika vakisiny mihitsy, no misy dingana tsy maintsy arahana, hanaovana fanadihadiana lalina ny amin'ilay dokotera namoy ny ainy tany Fianarantsoa, tao aorian'ny nanaovana vakisy Coivshield azy... ♦ Fandrosoan'ny demôkrasia eto Madagasikara ny fahalanian'ny lalana mifehy ny mpanohitra, teny amin'ny Andenimieran-doholona androany, ary tombony sy fanomezana sehatra ao anatin'ny ara-dalana ny antoko mpanohitra, hoy ny Solombavam-bahoakan'Ikongo, izay nanolotra ity tolo-dalana ity...

♦ Voka-pikarohana manatsara sy manamora vidim-piainana ny fatana akofa. Ny fampiasàna ity fatana ity dia fomba hiarovana ny ala tsy ho ripaka. 97% ny mponina eto Madagasikara no mampiasa ny hazo ho angovo, ka ny 48% mampiasa arina ary ny 49% mampiasa kitay... ♦ Ny raketa na ny rakaita dia zava-maniry misy eto Madagasikara, hita any amin'ny faritra atsimo. Zava-maniry mpitahiry rano, antsoina amin'ny anarana siantifika opuntia ficus indica... 

♦ Handinika amin'ny antsipirihany ilay tolo-dalàna momba ny fanomezana ny zom-pirenena Malagasy ho an'ny vahiny ny solombavambahoaka. Tsy maintsy hisy ny masotsivana apetraka... ♦ Sahirana amin'ny tsy fahampian'ny sakafo sy ny firongatry ny tsy fandiam-pahalemana ny vahoaka any Androy hoy ny deputé Massi Boulamaly... ♦ Jono an-dranomasina : Tanterahana androany ary hitohy rahampitso ny dinika eo amin'ny vondrona Eraopeana sy i Madagasikara... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...