Zoma 28 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 11, 11-26

Rehefa mandinika ny fihetsik’i Jesoa isika indraindray dia toa te hilaza hoe mba tsy rariny kosa e. Henontsika tamin’ny Evanjely teo ohatra fa rehefa niditra tao an-Tempoly i Jesoa dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola. Tsotra anefa ny tenin’i Jesoa rehefa nampianatra Izy : "Ny Tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenen-drehetra", fa tsy natao ho zohy fieren’ny jiolahy. Isan’ny voatohintohina tamin’izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana, ka nitady izay fomba hahafaty an’i Jesoa. Ny fifandraisana amin’Andriamanitra tamin’ny endrika varotra, fifanakalozana, toy ny voalaza eto, dia efa nofoanan’i Jesoa ary napetrany mazava fa ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia noho ny fahasoavany ary maimaim-poana. Trano fivavahana ny Tempoly, natao hihaonana amin’Andriamanitra, hiangonan’ny mpino. Endriky ny Eglizy any an-danitra ny Eglizy ety an-tany, ka irin’i Jesoa ny hametrahana ny Tranony ho tena fihaonana sy firesahana amin’Izy Andriamanitra fa tsy sanatria hanaovana zavatra hafa. Ao amin’ny Taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina i Masindahy Paoly dia milaza mazava koa fa Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatantsika. Ilazana ny hoe ao anatintsika Andriamanitra, natao ifandraisana amin’Andriamanitra ny vatantsika, fa tsy natao ho fanafenana ny ratsy isan-karazany izay mety manimba endrika ny maha endrik’Andriamanitra antsika.

Mba ho tena Tempoly mendrika an’Andriamanitra àry isika, dia entanin’i Jesoa, hanana finoana an’Andriamanitra. Ny finoana marina tsy misy fangarony ao am-po, dia ambarany mazava tsara fa ahavitana zavatra tsy azon’ny sain’olombelona sainina akory, toy ny mamindra tendrombohitra makany amin’ny ranomasina. Ny fivavahana am-pinoana lalina amin’Andriamanitra dia antoka ahatanteraka izay angatahantsika aminy. Fa etsy andanin’izany koa dia ny fo tsy misy alahelo sy tsy ananan’olona alahelo no mampisokatra tanteraka antsika amin’Andriamanitra ka hamelàny antsika rehefa mahay mamela ny hafa koa isika. Amin’izay dia hifampitantana makany amin’ilay Tempoly mandrakizay any an-danitra isika mianakavy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...