♦ Tsy isan'ireo Oniversite hisokatra manomboka ny alarobia izao ny Oniversiten'Andrainjato Fianarantsoa. Nanao fanambarana ny fikatonan'ny Oniversite ny sendikan'ny mpandraharaha any an-toerana... ♦ Mpiadina ho polisim-pirenena iray no namoy ny ainy araka ny fampitam-baovaon'ny polisim-pirenena... ♦ Hanomboka anio eny amin'ny toby fiantsonana Maki eny Andohatapenaka ny fitsirihina ara-teknika ireo fiara hiasa amin'ny zoma ho avy izao...
Talata 1 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 13-17
♦ Tsy anisan'ireo Oniversite hisokatra manomboka ny alarobia izao ny Oniversiten'Andrainjato Fianarantsoa. Nanao fanambarana ny fikatonan'ny Oniversite androany ny sendikan'ny mpandraharaha... ♦ Hisokatra ny alarobia izao ny fahafahan'ireo mpandeha manao famandrihana eny amin'ny toby fiantsonana, araka ny toromariky ny ATT...
♦ Efa miomana amin'ny fandraisana ireo mpizahan-tany any Nosy-Be sy ny Nosy Sainte Marie ny Fanjakàna malagasy. Hisy ezaka manokana amin'ny fanaovam-baksiny any amin'ireo distrika roa ireo... ♦ Nanangona ny hetahetan'ireo Ben'ny Tanàna any amin'ny Faritr'i Vakinankaratra ny iraky ny antenimieran-doholona ho fanarenana ny toe-karena... ♦ Notanterahina omaly ny ivon'ny fankalazàna ny faha-20 taonan'ny Radio Rakama any amin'ny Diôsezin'i Farafangana...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco