♦ Iray volana mahery mialohan'ny fanadinana CEPE sy BEPC, tomombana hatrany amin'ny 80% ny fanontana ny taratasim-panadinana eny amin'ny orinasa CNAPMAD... ♦ HIjery manokana an'ireo toeram-piantsonan'ny taxi-be mety mahatonga ny fitohanana be loatra ao an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo... ♦ Tsy anjaran'ny fitondram-panjakàna no mamaritra izay olona ho lehiben'ny mpanohitra eto Madagasikara hoy ny antoko otrik'afo... 

Ilaina fantarina ny toetra maha izay sy ny maha izy ny olona ho vadiana. (02-06-2021)

♦ Tsy misy fiovana ny datin'ny fanadinam-panjakàna amin'ity taona ity hoy ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena. Misy ny fenitra ara-pedagojia eny anivon'ny sekoly mba ahafahana miatrika izany... ♦ Nanapa-kevitra hampihato ny fitokonany manomboka anio ny mpiasa sy ny mpandraharaha eo anivon'ny Oniversite Antananarivo. Hiandry ampitoniana sy hanara-maso ny famahàna ny olana ny sendikà... ♦ Miisa 35 ireo mpilalaon'ny Barean'i Madagasikara hiatrika ny fampivondronana voalohany miaraka amin'ny mpanazatra Eric Rabesandratana ny 7 hatramin'ny 18 jona ho avy izao...

Alakamisy 3 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...