Tamin’izany andro izany, dia nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe. "Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady ?" Ary hoy i Jesoa taminy : "Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra ? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao mifady hanina izy."
♦ Hanao fitokonana faobe manerana ny nosy anio ireo mpiasan'ny fahasalamana ao anatin'ny sendikan'ny Paramédicaux, ary voalaza fa tsy hisy intsony ny fiandrasan-draharaha eny anivon'ny hôpitalim-panjakana... ♦ Nanohy ny fitokonany indray omaly ireo mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana. Mpianatra telo no voasambotry ny mpitandro ny filaminana vokatr'izany...
Talata 9 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13
♦ Tsy tafiditra tao amin'ny faritry ny hôpitaly HJRA androany ireo Paramed. Milaza ny hiroso amin'ny fitokonana faobe izy ireo manomboka rahampitso... ♦ Ny famerenana ireo volamena tratra tany afrika Atsimo no hahafantarana na an'i Madagasikara na tsia ireo harem-pirenena ireo, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco