♦ Raharaha fikasàna hamono olom-panjakàna ambony eto Madagasikara, sokajin'olona maro no tafiditra ao anatiny : mpanao politika, mpitandro filaminana, mpitarika sendika sy fiarahamonim-pirenena... ♦ Manomboka androany ny fanadinana bakalôrea manerana ny nosy, mpiadina maherin'ny 190 000no hiatrika izany... ♦ Mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana. Noalefahana ny fepetra ampiharina momba izany... 

Tsy zaza na ankizy intsony ny tanora fa efa manomboka mandray andraikitra maro isan-karazany, ka mirotsaka miaraka amin'ireo olon-dehibe amin'ny fampandrosoana. Ny fahaiza-manao hananan'ny tanora dia tokony koloana tsara, tsy mety anefa ny mandeha irery fa ilaina hatrany ny mifanampy sy mifanohana na amin'ny samy tanora na amin'ny sokajin'olon-kafa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alatsinainy 9 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 22-27

Ilaina ny fandraisana andraikitra sy ny firotsahana ka entanina ny tanora mba tsy hanana toetra miandry mahazo. Ilaina ny mifanampy eo amin'ny fiainana raha tiana ny hahomby. Ny talenta dia fahaiza-manao ka isan'ireny ny fanehoana ny zava-kanto isan-karazany toy ny tantara antsehatra, ny hoso-doko, ny mozika isan-karazany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...